Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Ho maimaimpoana avokoa manomboka izao ny "premier soin" any amin'ny sampandraharaha" service d'urgence" any amin'ireo hopitaly rehetra any amin'ny renivohim-paritra sy CHR manerana ny nosy... ♦ Betioky-Atsimo : trafika sy fakana an-keriny zaza varira ; olona enina voasambotra, Ben'ny tanàna am-perinasa ny iray, natolotra ny fitsaràna tany Toliary omaly izy ireo... ♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha. Nilanja sora-baventy nanoloana ny ministeran'ny asa vaventy ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany...

Ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Jesoa Kristy lohan'ny Eglizy, izay vatana sy manana azy ho mpamonjy. Tokony ho taratra eo amin'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fandaminana ny ao an-tokantrano izany. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...