♦ Nanazava ny tsara ho fantatra momba ny paik'adim-pirenena momba ny ady amin'ny kolikoly nohatsaraina, nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly teny Iavoloha ny Filohan'ny CSI Sahondra Rabenarivo... ♦ HItohy any amin'ny Faritra Menabe ny hetsika ataon'ny RMDM na teo aza ny sakana natao azy tao Antsirabe, tamin'ny herinandro lasa teo... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efarana ny FIM...
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Nomarihana omaly, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demôkrasia. Ny fampiharana izany dia antoka ahatongavan'ny mpamatsy vola hoy Andrimatoa Maka Alphonse, CFM... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany hiadiana amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna, hiverina amin'ny laoniny ny izy io hatramin'ny taona 2050... ♦ Hita taratra ny fandrosoan'ny fandaharanasa momba ny fahasalamana antsoina hoe "ACCESS", araka ny tombana nataon'ireo tompon'andraikitra...
Voajanahary ve ny antson'Andriamanitra?. Ny lalam-piainana ho an'ny olona iray dia efa voasoritra hatramin'ny fahaterahany, fa Andriamanitra kosa dia manome fahalalahana hisafidy ho an'ny tsirairay, ka miantso ankahalalahana izy. Tsy lahatra ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco