Raha mivoatra ny teknolojia dia mivoatra miaraka aminy ihany koa ny paik'ady, entin'ireo mpanao ratsy. Hafatra ho an'ny ankizy dia hoe " ry ankizy liam-baovaoa, ny aterineto ampiasao saingy tandremo sao zava-doza ho anao" ry ray aman-dreny "aterineto malalaka, ray aman-dreny maharaka dia voaaro ny zanaka". 

Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Zoma 12 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

♦ Antsasak'adiny mahery izay no mizotra any Cotonou ny lalao eo amin'i Bénin, mpampiantrano sy ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naiditra am-ponja vonjimaika ireo miaramila 12 lahy voasaringotra amin'ilay raharaha famonoana tovolahy kely tetsy amin'ny BANI Ivato. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Handatsahana orana artifisialy ny tananan'i Fianarantsoa, noho ny olana amin'ny famatsiana rano any an-toerana. Feno nanomboka androany ny fepetra ho amin'izany, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...