Ny fampiofanana litorjika ho an'ny pretra sy ny seminarista dia natao hikendrena fandalinana, hampiofana ireo mpitarika litorjia. Tokony ho ampy sy lalina ny fampianarana momba ny Litorjia ao amin'ny seminera sy toeram-piofanana rehetra : tsy vitan'ny olona tokana ny fampiofanana. Ny pretra sy ny diakra dia mpitarika noho izany tsy maintsy mahafehy tsara ny hevitry ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katolika. Nisongadina izany nandritra ny fanokafana ny fiofanana, sady fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky, eo anivon'ny Eglizy Katolika... • Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny fanjakana, vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitra nataon'ny BIANCO androany... • Navotsotra androany, ary eo ambany fanarahamason'ny Fitsarana, ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny JIRAMA SMJ, Ratovomanarivo Anmora...

Ny atao hoe "FANAMBY" dia ahitana ny foto-teny hoe "TAMBY", izany hoe Valisoa sy tanjona. Ny fanamby ho an’ny fianakaviana dia ny mba ho fianakaviana mifanohana sy mifanampy , mifankatia mba ahazoana ny tena fahasambarana sy fiadanana. Ny vahaolana manoloana sedra hatrehin'ny fianakaviana : mifandefitra , mifampihaino , mifanaja , mifampiresaka.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, tsy hanavahana. Ny Eglizy dia maniry fatratra mba ny rehetra,olon-drehetra, dia handray anjara amim-pinoana sy amim-panahy amin'ny fankalazana Litorjika ; satria izany no loharanon'ny fiainam-panahy kristiana. Ilaina ny fiofanana mba hahafahana mandray anjara, sao dia manaonao foana, mba mahalala ny fizotra ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...