Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.
♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...
♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...
Nangingina tato ho ato, tao anatin'ny taona maro ny fivoizana ny voly vary SRI eto Madagasikara. Manohy ny sehatr'asany hatrany anefa ireo mpandala ity teknika fambolem-bary ity eto amin'ny nosy saingy tsy mba misy mpahalala ny asa ataony. Mivoatra ny haitao entina ampiroboroboana ny voly vary SRI saingy tsy heno firy ihany koa ny tohiny. Isan'izany ilay milina fanetsana mampiasa ny teknika bata-tany noforonon'ingahy Gislain Raharinaivo, injeniera momba ny fambolena miara-miasa amin'ny orinasa atsy Afrika...
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco