♦ Mahatratra 500 ireo fitarainana voarain'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona "CNIDH"... ♦ Ireo mbola tsy nanao vaksiny covishield no hisitraka ny vaksiny Johnson and Johnson, hoy ny ministry ny fahasalamambahoaka androany... ♦ Nampizarazara hevitra ny mpampiasa lalana kosa ny andrana ara-teknika amin'ny fandaminana ny fifamoivoizana teny Antanimena, androany... 

♦ Miroso lalindalina hatrany ny fanadihadiana momba ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono tompon'andraiki-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Misy manamboninahitra Jeneraly am-perinasa ihany koa amin'izao voarohirohy... ♦ Ho voavaha ny olana amin'ny famatsian-drano amin'ireo Kaominina maromaro eny amin'ny distrika Atsimondrano, tafapetraka ny toby fanadiovana rano... ♦ Mpampianatra Fram 8 900 no ho raisina mpiasam-panjakàna. Hisy ampahany amin'ireo no ho ampidirina mialoha ny volana septambra izao... 

Tsy ny mpianatra irery ihany no miaina ny vanim-potoanan'ny fanadinana fa eo koa ny raiaman-dreny sy ny mpampianatra ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nisy fihatoana ny fampianarana nandritra ny fotoana nahamafy ny hamehana ara-pahasalamana, fa fanararaotra ireny nanaovana tombana ny zava-bita sy naminavinana ny ho avy. Ny tanora dia mila manao ezaka amin'ny lafiny rehetra, ohatra ara-batana, ara-tsaina, ary arahina vavaka mba hiatrehana am-pitoniana ny fanadinana...

♦ Olona 11 hatramin'izao no efa nosamborina, voarohirohy amin'ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono olom-panjakàna ambony sy ny filoham-pirenena. Niampy 5 omaly ireo olona voasambotra... ♦ Tonga eto Madagasikara omaly ireo vaksiny "Johnson ant Johnson" avy amin'ny fanjakàna amerikàna. Malagasy maherin'ny 287.000 no kendrena amin'izany... ♦ Amin'ny faramparan'ity herinandro ity no hivaly ny fanadinana BEPC ho an'ny eto Antananarivo... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...