♦ Manaratsy endrika ny asan'ny mpanao famotorana ny fivoahan'ilay horonan-tsary mirakitra ny fisavana ny tranon'ny iray tamin'ireo olona voasambotra, noho ny fikasana hamono ny filoha, hoy ny mpahay lalana... ♦ Tombanana ho tafakatra telo hetsy sy iray tapitrisa ny isan'ireo olona tratran'ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy, manomboka ny volana ôktôbra amin'ity taona ity. Nisy indray ny famatsiam-bola hiatrehana izany, nentin'ny Governemanta amerikana...

♦ Nankalazaina tao amin'ny Fiangonana Trinite Masina Mangasoavina ny Andro maneran-tany voalohany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny Zokiolona, teto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao Amboahangibe ny fanamasinana ho pretra, andiany faharoa, ho an'ny diôsezin'Antsiranana... ♦ Notokanana ny 23 jolay 2021 ny "Maison de la culture - Casa di Luigi Piotto"...

♦ Misedra fahasahiranana noho ny tsy fananan'asa vokatry ny fikatonan'ny sisin-tanin'i Madagasikara ny mponina any Nosy-Be, izay mivelona amin'ny sehatry ny fizahan-tany... ♦ Velon-taraina ireo mponina sy mpanjono monina manamorina ny ala honko amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy fa potehan'ireo mpifindra monina anaovana arina fandrehitra ny ala honko toerana hiveloman'izy ireo... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny distrika Mahabo sy Morondava, Faritra Menabe... 

♦ Mitohy mandritry ny 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mbola manohy ny ady amin'ny coronavirus isika hoy ny Praiministra Ntsay Christian alina... ♦ Miisa 9 ny tranga vaovao, mitondra ny coronavirus tamin'ny fitiliana miisa 471 ny Sabotsy 24 jolay teo, miisa 6 no tao Mahatsiatra-Ambony tamin'ireo tranga vaovao miisa 9... ♦ Tsy hahavaha velively ny olana mianjady amin'ny vahoaka Malagasy ny fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena hoy ny UNDD, tranga izy melohan'ny antoko tanteraka... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...