I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.

Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka.  Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Hitory eny amin'ny filan-kevi-panjakàna momba ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo ny antoko TIM sy ny Vovonana Firaisan-kina, Nanao fanambaràna Andiamatoa Marc Ravalomanana androany...
  • Nanao tatitra momba ny asa ho  an'ny taona 2024 androany ny SAMIFIN.  Vola 2 miliara Ariary saika hofotsiana no nogiazan'ity sampan-draharaha ity tamin'ny taon-dasa teo iny...
  • Nankasitrahan'ny Alliance Voahary Gasy ny nafahana nisambotra ireo atidoha saika hanondrana harem-pirenena. Mbola olana goavana ny teti-bola isahànana ny harena voajanahary hoy izy ireo...
  • Nampanantena fanohanana hatrany an'i Israel ny Amerikanina, amin'izao fitondran'ny filoha Donald Trump izao. Nifampiresaka momba izany ny Praiministra israelianina sy ny lehiben'ny diplômasia vaovao any Etazonia...

  • Handray ny asany amin'ny maha ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy rahampitso Ramatoa Ramanantsoa Harilala. Hatao eo amin'ny fidasin'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny lanonana ametrahana azy ôfisialy...
  • Averina ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina ao amin'ny kaominina Andohan'Ilakaka Distrikan'Ihosy. Izay no didy navoakan'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritanin'i Fianarantsoa...
  • Misedra fahasahiranana amin'ny fambolem-bary ny ao amin'ny lemak'Alaotra. ny 20% maherin'ny tanimbary ao Ambatondrazaka no voaketsa ary raha toa ka 40% izany ho an'ny ao Amparafaravola...
  • Nandefa miaramila miisa 1.500 any amin'ny sisin-tany faritra atsimon'i Etazonia ny fanjakàna amerikanina, ho fiarovana ny sisin-tany amin'ny fidiran'ny mpifindra monina antsokosoko...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...