Tamin’izany andro izany, i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe: "Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata." Ary hoy Izy taminy: "Moa tsy novakînareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Sa tsy novakînareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo; satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: "Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako."
Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: "Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: "Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco