Valanjavaboarin'i Tsimanapetsotse, Nosy Ve Androky dia mampifandray ny ala tsilo, ny ranomasina ary ny olombelona. Tamin'ny taona 2014 dia nanana velarana 203 525ha io valanjavaboary io. Nosokajian'ny UNESCO ho isan'ny valanjavaboary bolanaina fahadimy misy eto Madagasikara, manampy an'i Mananara-Avaratra Sahamalaza, Nosy Radama, ny morontsirak'i Toliara Kirindy Mitea, ary Beloha-sur-mer... 

♦ Misokatra azon'ny be sy ny maro ampiasaina ny lalam-baovao Rocaden'Iarivo, mampitohy an'Antananarivo renivohitra amin'Avaradrano. Notokanan'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina ny asa vita... ♦ Kaominina Antsirabe ambonivohitra : Hijoro manoloana ny fitantanana tsy mahomby ireo mpanolontsaina ivelan'ny IRK... ♦ Manomboka miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha indray ankehitriny ny varotra ronono amin'ireo faritra mpamokatra taoriana sy noho ny Covid-19... 

♦ Azon'ny Malagasy atrehana mivantana ny matso lehibe hatao eny amin'ny kianjan'i Barea eny Mahamasina amin'ny 26 jona. Noferana ho 20 000 ny olona manana tapakila afaka mijery izany... ♦ Ho hentitra ny fandaminana sy ny fanaraha-maso eny Mahamasina sy ny manodidina mandritra ny fankalazàna ny fetin'ny 26 jona hoy ny Emmonat... ♦ Efa manomboka mamoaka ny taratasy fiantsoana ny mpiadina amin'ny fanadinana CEPE amin'ny 6 jolay izao ny eo anivon'ny Cisco... 

Zava-dehibe ny fihariana sy ny fananana asa fivelomana araka ny lamina voajanahary. Ny asan'ny olombelona no iderany sy anomezany voninahitra an'Andriamanitra. Tsy mety ny filàna tombotsoa manokana sy ny kolikoly ary ny fanararaotana mbamin'ny fanomezana tombondahany ny sasany eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...