Alakamisy 24 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra : handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80

♦ Hiova endrika ny matso eny amin'ny kianjan'ny Barea amin'ny 26 jona izao. Amin'ny fito hariva farafahatarany no hifarana ny lanonana eny Mahamasina... ♦ Tsy hanatrika ny lanonana eny Mahamasina ny antoko TIM, ary milaza hikarakara hetsika eny amin'ny Magro Behoririka amin'ny zoma izao...

♦ Matoky ny fanjakàna Malagasy sy ny fahaiza-mitantan'ny mpitondra ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon'antoka hoy ny ministry ny toe-karena sy ny vola... ♦Nanamafy ny ministry ny fitanterana fa mbola mikatona ny sisin-tanin'i Madagasikara. Misy ireo olona afaka mahazo alalana manokana.... ♦ Hiroso amin'ny fankatoavana na tsia ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna nasiam--panovaàna 2021 ny solombavambahoaka amin'ny talata 29 jona izao... 

Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Sehatra sy/na fikambana vitsivitsy anefa no tena manamarika io iray volana io. Ny teny manentana amin'ity taona ity dia : izay tia ny teniny, tia ny taniny. Tsy afaka mifanerasera ny olona raha tsy misy ny teny izay vohizina hifaneraserana ary mifandray amin'ny tany. Ny hoe "teny" : voalahany adika ho voambolana ary faharoa dia fiteny. Ilaina ny famerenana ireo taranja sy fizàrana teny amin'ny ambaratonga fototra... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...