Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19).
♦ Hitohy amin'ny andiany faharoa ny fanaovana ny vaksinin'ny Covid-19 eto Madagasikara na teo aza ny fanambaràna nataon'ny masoivoho frantsay momba ny vaksiny Covishild... ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katolika nanomboka androany ireo mpianatra amin'ny taona fahasivy amin'ny sekoly katolika manerana ny nosy... ♦ Nitombo 2% mahery ny tahan'ny isan'ny mpiadina hanao ny fanadinam-panjakàna BEPC ho an'ny Cisco Antananarivo-renivohitra raha oharina tamin'ny taona lasa...
♦ Mitohy mandritra ny 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana manerana ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara taorian'ny fakan-kevitry ny governemanta an'ireo filohan'ny andrim-panjakàna. Nanambara ny toromarika ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Notanterahana omaly ny ivon'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-25 ity onjam-peo mbola ankamaminao ity. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezy Antananarivo, Mgr Jean Pascal Andriantsohavina... ♦ Niavaka ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara tamin'ny sabotsy 26 jona...
Tsapa ankehitriny fa ny "fihibohana" vokatry ny ady amin'ny Covid-19, dia mampiharihary ireo elanelana misy eo amin'ny Vahoaka sy ny Mpitondra, ny mpanankarena sy ny mahantra. Maro ireo mihidy amin'ny tenany sy ny ankohonany ka tsy afaka mivelatra amin'ny asany. Katesizy momba ny Asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco