♦ Nangataka fanazavana amin'ny OMS ny fitondram-panjakana malagasy, manoloana ny fanambarana nataon'ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara sy ny tsy haneken'i Eorôpa ny vakisiny Covishield... ♦ Ny 65%-n'ireo vakisiny Covishield tonga teto Madagasikara no nampiasaina, tao aorian'ny fanaovam-bakisiny faobe izay nifarana omaly, raha ny tatitry ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka...

Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Zoma 18 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

♦ Lany daty manomboka rahampitso ireo vakisiny Covishield nampiasaina teto Madagasikara. Tsy hisy intsony aloha ny fanaovam-bakisiny faobe, efa nody niverim-potsiny ireo olona nikasa hanao izany teny amin'ny HJRA Ampefiloha, androany... ♦ Nangata-panazavana any amin'ny OMS ny fitondrana malagasy, manoloana ny vaovao navoakan'ny Masoivoho frantsay. Niteraka resa-be ny filazana fa tsy afa-miditra any Eorôpa ireo olona vita ilay vakisiny Covishield natao teto amintsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...