♦ Tsy matahotra na miala andraikitra ny Solombavam-bahoaka amin'ny fandinihina ny raharaha mahakasika ny fiampangana ireo olona ambony ao amin'ny Haute Cours de Justice, fa misy ny sakana mbola tsy ahafahana mandinika ireo antontataratasy fiampangana, eo anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Misaona ny tontolon'ny Fampianarana Ambony, nodimandry omaly teo amin'ny fahenina amby fitopolo taonany i Gabriel Rabearimanana...

♦ Tany Midony-Atsimo, mbola nitohy omaly antoandro ny fifanandrinana teo amin'ireo jiolahy nirongo basy sy ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ny fokonoloka. Nifanehitra tamin'ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ny ampahany tamin'izy ireo omaly, nahatonga izay fifandonana izay... ♦ 54 tapitrisa dolara ny vola nomen'ny mpiara-miombona antoka an'i Madagasikara, ary amina miliara ihany koa no natokan'ny fitondram-panjakana malagasy, hijerena ny fampadrosoana sy ny vahaolana maharitra any atsimo... 

Alarobia 26 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 32-45

♦ Fanambin'ny Foloalindahy Malagasy ny hamerina amin'ny laoniny ny filaminana any Midongy-Atsimo, ao anatin'ny fotoana fohy. Any an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana. Miantso ny malala-tanana hamonjy ireo vahoaka voatafika ny Solombavam-bahoakan'i Midongy-Atsimo... ♦ Mihamidina hatrany ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 45 ireo mitondra izany tamin'ny fitiliana manerana ny nosy omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...