Alakamisy 17 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 6, 7-15

♦ Mbola hitohy ny hetsika nataon'ny mpianatry ny Oniversite androany. Roa no voasambotra tao Fianarantsoa, voalaza fa nisy olona iray maty kosa tany Toliara... ♦ Tsy eto an-tanindrazana hatramin'ny alahady ho avy izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Hanatrika ny sakramentan-janany izy raha ny fanampim-baovao voaray...

♦ Ho dinihan'ireo loholona mandritra ny fivoriambe azon'ny be sy ny maro atrehina, anio, ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny faritra faha23 eto Madagasikara... ♦ Niafara tamin'ny faharatrana olona 12 sy fisamborana olona 09 ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Oniversiten'i Maninday sy ny mpitandro filaminana. Namory ny ministry ny toe-karena sy ny ministry ny fampianarana ambony ny Praiministra ho famahana ny olana... ♦ Nanao fifanarahana fiaraha-miasa ny orinasa jirama sy ny Green Yellow Madagascar, hanitarana ny foibe famokarana herinaratra ao Ambatolampy... 

Ao anatin'ny volana jona isika, izay volana feno fanamarihana sy fankalazana, isan'izany ny andro manerantany hiadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona. Misy fifandraisana mafonja eo amin'ny zanaka sy ny ray, indrindra amin'ny lafiny fanabeazana, ampy hampivelarana ny sain'ny ankizy izany raha voarindra. Ny hoe ray lavitry ny zanany : ireo ray tsy mifandray matetika amin'ny zanany, variana loatra amin'ny asany, tsy mandray andraikitra firy amin'ny fanabeazana,.. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...