Rehefa tafahoatra ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba amam-panao tsy voahevitra dia misavoritaka ny mpianakavy. Iretsy voalaza etsy aloha dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana, tahaka ny zavatra rehetra ihany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

♦ Notanterahana androany ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy. Ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona kendrena, hoy Mompera Ranivoson Jules, Talen'ny DINEC... ♦ Mitaky ny ivoahan'ny marina momba ny anton'ny nahafaty an'i Mendrika, tovolahy 15 taona monina ety Ivato, ny mpiara-monina sy ireo niara-niaina taminy. Miantso ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo...

♦ Nahazo famatsiam-bola 40 000 000 dôlara avy amin'ny  governemanta amerikàna, hanampiana ny lafiny sôsialy, noho ny hain-tany ny faritra atsimon'ny nosy. Olona maherin'ny 720 000 no hisitraka izany... ♦ Ny antoko TIM no tokony ho eo amin'ny toeran'ny lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara, raha ny hevitr'Andriamatoa Clément Jaona... ♦ Mbola hitohy ny hatsiaka aty afovoan-tany, mety arahin'erika mihitsy hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihidina hatrany amin'ny 3°C ny mari-pàna ambany indrindra eto Madagasikara... 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...