♦ Tany Antsirabe, mpiasan'ny haino aman-jery iray sy mpitandro ny filaminana telo no naratra. Nisy fahasimbana fananana iombonana sy fananan'olon-tsotra nandritra ny sakoroka nitranga tany Antsirabe alina, noho ny tsy fankasitrahan'ireo mpitokona tany an-toerana ny fampiatoana ny asa aman-draharaha any Vakinankaratra manomboka amin'ny 2 ora tolakandro, ho fifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19...
Miara-manorina ny ho aviny sy ny maha olom-banona azy amin'ny ray aman-dreny ny zatovo ka ao an-tokantrano no tena hanefena izany. Ny andraikitry ny tanora manoloana ny maha zatovo azy dia ny fanajana ny ray aman-dreny, noho izy ireo fanomezana. Namana akaiky izy ireo ka hanokanana fotoana manokana hiarahana aminy, ary tsy andosirana mihitsy ny ray aman-dreny na dia mahasosotra ny zatovo aza ny ataony. Amin'izany dia ny zatovo mihitsy no mila miantso "Filankevi-pianakaviana" (Conseil de famille), ny teny sy ny fihetsika amin'izany kosa ezahana mba ho amim-panajana hatrany.
♦ Fiaramanidina Cargo nitondra entana, ary tsy nisy afa-tsy ireo "membres d'équipage" an'ny Air Madagascar miisa 12 ihany no nandeha tamin'ilay fiaramanidina an'ny Ethiopian Airlines, avy any Addis-Abeba tonga tetsy Ivato afakomaly, araka ny fanazavan'ny Ministry ny fitaterana... ♦ Niampy 120 indray ny fahafahana mandray ny mararin'ny Covid-19 any Taolagnaro, izay isan'ny ahitana olona maro tratran'ity valanaretina ity. Notokanan'ny Filoha Andry Rajoelina omaly ny CTC-19 tany Taolagnaro...
Zoma 7 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco