Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako. Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray. Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo, ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho, satria ny Ray tia anareo koa, noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho. Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho."
Tamin’izany andro izany, niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay mino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny". Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo, no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.
♦ Sokafana amin'izao ora sy fotoana izany ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimieram-pirenena. Tara antsasakadiny izany noho ny fampiasana ny teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra, amin'ireo solombavambahoaka... ♦ Mbola tsy hampiditra an-tsekoly ny mpianatra rehetra ny CRCO any Atsimo Andrefana, na teo aza ny toromariky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ambony manko ny tahan'ireo tranga vaovao an'ny Covid-19 any an-toerana ankehitirny...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco