♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny volana mey ho avy izao ny vakisinin'ny Covid, avy amin'ny fandaharan'asa Covax. Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny ministra fa ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra ny vakisinin'ny Covid... ♦ Hanova ny fomba fiasany amin'ny fanatanterahana ny andraikiny ny SAMIFIN. Nahavita fihanianana omaly ny Tale jeneraly vaovao, Rajaoanarison Mamitiana...
Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)
♦ Mila mikatsaka fitoniana sy fanarenana ny toe-karena eto amin'ny firenena ny hery velona tsy an-kanavaka, hoy ny Kômity Miaro ny Soa Iombonana... ♦ Marary miisa 17 no lavon'ny Coronavirus ny talata lasa teo. Miisa 320 kosa ny tranga vaovao...
Ilaina ny manokana fotoana indraindray mba hanaovana loabary an-dasy ka manao tombana ny fiainam-pianakaviana. Ilaina koa anefa indraindray ny mangina ao an-trano ao mba hahafahana miresaka amin’Andriamanitra bebe kokoa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco