♦ Toherin'ireo mponina sasany eny amin'ny fokontany Sabotsin'Ambatofotsy ny hametrahan'ny fitondram-panjakàna ilay fasan'ny Firaisam-po eny an-toerana... ♦ Naka ny hevitry ny HCC ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, manoloana ny fahabangan-toerana, noho ny nahafatesan'ny solombavambahoaka an'i Manakara... ♦ Misy rivodoza miforona any Avaratra-Atsinanan'ny Nosy. Mitondra rivotra 55km/h ary tafiotra 70km/h... 

♦ Niverina nidinika momba ny vakisiny indray omaly, ny Filoham-pirenena sy ny avy amin'ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana. Ilaina, hoy ny Filoha, ny fandalinana bebe kokoa izay vakisiny hafarana... ♦ Olona 10 indray no matin'ny Covid-19 teto amintsika, niampy 539 ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana...

Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...