Alarobia 21 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9

Maro ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no mitantara ny resaka fahasahiana na ireo olona sahy nanapa-kevitra sy niroso hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra vitsivitsy ireto : Eks 10,26 Mt 6,30 Rom12, 1;2. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P Jean-Luc Ratovonjanahary.

Talata 20 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50

♦ Nahitana zaza rano tsy nisy afa-tsy loha sy tanana, androany, tao amin'ny dabam-pako iray teny amin'ny fokontany Ambohitrakely... ♦ Tontosa androany, ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana BEPC. Irosoana avy hatrany ny fitsarana ny laza adina efa vita, ary hafainganina ny famoahana ny voka-panadianna, hoy ny Minisitra mpiahy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...