Nampitovy tandin-dokanga niaro ny fitondrana, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalana, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tokony hitadiavana vahaolana haingana ireo fitakiana samihafa, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa. Miantso fifampidinihana hamahana ireo olana samihafa ihany koa, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana...

♦ Nisokatra tamim-pomba ôfisialy androany etsy amin'ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoana an'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola tsy resy lahatra amin'ny fanafarana ny vaksiny fanefitry ny coronavirus ny fitondrana malagasy... ♦ Mangataka tsy misy fepetra ny fametrahampialan'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny ministera, izay tsy mahavaha olany ny sendika mahaleo tenan'ny inspecteurs du travail... 

 Tsy andro fety ny 8 marsa fa andro manerantany hatsiarovana ny fitakian-jo. Loha-hevitra tamin'ity taona ity: Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy. Ny vehivavy dia afaka mampandroso ny firenena araka ny toen-tsaina ananana, ary afaka mampita izany amin'ny taranaka. Vehivavy mizaka tena mira mahefa, mifanampy amin'ny lehilahy... 

♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo antenimiera roa. Lahadinika lehibe amin'izany ny fifidianana ireo ho solontenan'ny parlemanta eny amin'ny HCC... ♦ Hohamafisina indray ny sazy ho an'ireo tsy manaraka fepetra sakana amin'ny Covid-19... ♦ Mpampianatra iray no voakasin-tanana omaly teny Ankatso, nahazo fahafahana ireo mpianatra 03 eny Vontovorona... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...