♦ 15 jolay 2020 : feno herin-taona ny nahamay ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana, mitohy sy mivoatra ny fanadihadiana mikasika ny antony nahamay ny ONE. Nosokafana ny fanadihadiana manokana ara-teknika sy siantifika ataon'ireo manam-pahaizana manokana momba ny hain-trano. ♦ Varika matavy rambo : :tamin'ny taona 1970 no nahitàna azy voalohany teo Madagasikara, tsy mbola voafaritra mazava ny toerana tena misy azy. ♦ Ny mandrafitra ny tetiandro-pambolena...
♦ Nandray anjara tamin'ilay velan-kevitra nokarakarain'ny masoivoho momba ny fifindramonina vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro ny KMF CNOE-Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Tsy maintsy mandalo fanofanana avokoa ireo mpampianatra hiditra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, tanjona ny hampiakarana ny kalitaon'ny fanabeazana... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny boky vaovao mitondra ny lohateny hoe : "Saina Miabo", nosoratan'Andriamatoa Aimé Rasamison...
♦ Hanomboka anio ary mandritra ny hateloana ny tombana momba ny dingana vita tamin'ny fampiharana ny teti-pivoaran'ny fanabeazana sy ny fomba hanatsaràna izany... ♦ Miantso ny filoham-pirenena, ary mitaky amin'ny HCC tsy hankatoa io lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany, vao nolanian'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ny vonvonam-pikambanan'ny tantsaha... ♦ 21 ny tranga vaovao, 15 avy eto Analamanga, no mitondra ny tsimok'aretina coronavirus tamin'ny fitiliana 500 mahery...
Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco