♦ Nahiditra hôpitaly omaly hariva eny amin'ny Soavinandriana ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsirakasy ny vadiny. Voalaza fa tratran'ny aretina gripa izy ireo... ♦ Anio no hotanterahina ny fifidianana izay ho solontenan'ny Antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... ♦ Hotanterahina anio tolak'andro any Bahir Dar ny lalao ifanandrinantsika amin'ny Ethiopia. Samy miandrandra fandresen'ny barea hiakarana any amin'ny Can 2021 indray ny mpitia baolina kitra malagasy...
Alarobia 24 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42
♦ Tsy mitsahatra ny mamono olona ny Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 361 ny isan'ny maty ; mihamaro ihany koa ireo manana soritr'aretina, mankeny amin'ny Village Voara Andohatapenaka, ho an'ny ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Nanolotra fanomezana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Governemanta Indiana, fanampiana navantana avy hatrany tany Taolagnaro. Nandray izany ny Praiminisitra Ntsay Christian...
♦ Mitoka-monina ny any Mahajanga nanomboka ny maraina teo. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra sy ny Oniversitea... ♦ Manahy ny solombavambahoaka an'i Nosy-be fa ho tratran'ny kéré koa ny any an-toerana, noho ny fahaverezan'asa maro ateraky ny fanakatonana ny sisin-tany mihazo ny any an-toerana... ♦ Tafakatra 93 ireo kandidà hofidiana ho mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, hisolo tena ireo mpanao lalàna sy filan-kevitra ambonin'ny mpitsara...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco