♦ Miantso fitoniana manoloana ny toe-d'raharaha politika mafampana tato ho ato ny solombavambahoaka IRD... ♦ Hanomboka rahampitso ao Antananarivo Renivohitra ny famarotana ny vary tsinjo, 1.500Ar ny kilao... ♦ Ady amin'ny coronavirus, nofendrahana ranom-panafody ireo toerana ivezivezen'ny olona maro ao an-drenivohitra... 

Alakamisy 28 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 21-25

Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...

♦ Ny lalàna velona eto amin'ny firenena no tokony ampiharina amin'ny fametrahana ny mpanohitra amin'ireo toerana natokana ho azy amin'ireo andriampanjakàna isan-tsokajiny... ♦ Efa tonga eto Antananarivo nanomboka omaly ny ampahany  amin'ireo vary 7.000 taonina nafaran'ny fanjakàna... 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...