♦ Nifandona indray alina ny mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana sy ny mpitandro ny filaminana. Nirefodrefotra ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso... ♦ Tsy laharam-pahamehana ny resaka fanadihadiana parlemantera nataon'ireo loholona teo aloha, fa ny asa fampandrosoana no mahamaika, hoy ny filoha vaovaon'ny Antenimierandoholona omaly...
Talata 26 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 31-35
♦ Miankina amin'ny dinika iarahana amin'ny mpanohitra ny fanendrena izay ho solontenan'izy ireo eny Anosikely, hoy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana, androany... ♦ Efa manamafy ireo fepetra fisorohana ny Covid-19 avokoa ny fianarana sy ny fiangonana ankehitriny...
Miantso ny fitondrana hitady vahaolana maharitra amin'ny ady taoa amin'ny kere any atsimo ny FFKM, omaly nandritra ny famaranana ny herinandron'ny vavaka fiombonana ho an'ny kristianina, sy ny famindram-pitantanana teo anivon'ny FFKM. Mitaky ny hanazavan'ny Governemanta ny fitantanana ireo fanampiana tamin'ny valan'aretina Covid-19 ihany koa ny FFKM...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco