Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...
♦ Nampahatantarina omaly teny Iavoloha ny Praiministra lehiben'ny governemanta amin'izao fitondràna vaovao eto amin'ny firenena izao. Voatendry ho amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity manomboka anio ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Fivoriana tsy maintsy handaniana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026... ♦ Hangata-panazavàna amin'ny HCC momba ny fanapahana navoakany ny 14 oktobra teo ny CENI... ♦ Miharatsy ny fifandraisana ara-diplômatika eo amin'i Colombie sy Etats-Unis...
Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Voatendry ny hariva teo ny Praiminisitra vaovao, Herintsalama Rajaonarivelo... • Miantso fifampidinihana ny antoko TGV, araka ny fanambarana nataon'ireo mpanara-dia ny Filoha teo aloha androany... • Nanokana dimy andro hihainoana ny olan'ireo mpanjifa amin'ny fikarakarana taratasy ny Sampan-draharahan'ny Fananan-tany sy ny Fandresesan-tany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco