♦ Mbola tsy tafiditra anaty lahadinika eny anivon'ny antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2021 na ny LFR. Mitaky ny hametrahana sy hanapariahana ny LFR ny CCOC... ♦ Tsy mihatra ary tsy voahaja eny anivon'ny orinasa ny fepetra nambaran'ny mpitondra amin'ny mbola tsy tokony hiasan'ireo olona marefo ara-pahasalamana... ♦ Hiasa mialoha ny 26 jona fetim-pirenena ireo "Bus classe". Tsy miova ny saran-dalana izay efa napetraka tany am-piandohana...
♦ Tokony hitàna ny teniny ka hanaiky an'Andriamatoa Ravalomanana Marc ho filohan'ny mpanohitra ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hoy ny RMDM... ♦ Angatahan'i Afrika-Atsimo ny pitsopitson-dalàna malagasy mialoha ny hanapahany hevitra amin'ny hamerenana na tsia eto Madagasikara ilay volamena 73,5kg... ♦ Feno dimy taona anio ny nahafatesan'i Om-gui tao amin'ny tarika Ny Ainga...
Sabotsy 5 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44
♦ Notsipahan'ny RMDM ilay lalàna vaovao mifehy ny mpanohitra vao nolanian'ny Parlemanta farany teo. Nanao fanambarana teny Bel-Air izy ireo androany, nilaza fa tsy manaraka ny voalazan'ny Lalam-panorenana io lalàna io... ♦ Nisokatra manomboka androany ny fitaterana olona amin'ny zotra nasiônaly sy zotram-paritra. Nananika ny 5000 isa ireo mpandeha niainga ho an'ny teny amin'ny Gare Maki Andohatapenaka fotsiny...
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco