Alakamisy 21 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
♦ Hiverina hivoaka any an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina, any amin'ny faritry ny morontsirak'i Melaky ny rivodoza Eloïse. Ana'arivony ireo tra-boina naterak'izany.... ♦ Tsy afaka ny hangina intsony isika hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga fa be loatra ny lainga afafin'ny mpanohitra ka tsy maintsy arovantsika ny fitondrana sy ny ezaka maro efa ataony hampandrosoana an'i Madagasikara...
♦ Nihena be ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Mampikony no nisy ny ivony tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Melaky izy rahampitso... ♦ Miandrandra fitoniana maharitra eto amin'ny firenena amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasan'ny Antenimerandoholona izao ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...
Nihena ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Maroantsetra no nisy ny foibeny androany tamin'ny 04 ora maraina. Hamakivaky an'i Sofia sy i Boeny ny sisan-drahona miaraka aminy anio tontolo. Rahampitso no tombanana hivoaka an-dranomasina io rivodoza io.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco