Sabotsy 13 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14

♦ Nanainga tao Taolagnaro nihazo an'Ambovombe androany ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin. Mbola manjavozavo anefa ny miandry azy ireo any Ambovombe... ♦ Takona noho ny fifandiran'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny tena olana mianjady amin'ny vahoaka, hoy ny antoko UNDD, androany...

Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo... 

♦ Miankina amin'ny fanajantsika ireo fepetra sakana tsy hiparitahan'ny Coronavirus ihany, no mety hidirantsika amin'ny fihibohana indray na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Heverina ho afaka hampiasa ny "tramway" na ny "train urbain" ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra, manomboka amin'ny taona ho avy. Efa manomboka mantsy ny fanatanterahana ny tetik'asa akehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...