♦ Azo atao tsara ny manatratra ny tahan'ny fitomboan'ny harin-karena faove 5% hoy ny Vondron'ny Orinasa eto Madagasikara... ♦ Tsy hihemotra fa hanohy hatrany ny fitakiana efa natombony ny mpanara-maso ny asa mivondrona ao amin'ny Sendika SIT... ♦ Andro faharoa amin'ny fitsidihin'ny Papa François any Irak ny androany. NIhaona tamin'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ho an'ny finoana chiite... 

Sabotsy 6 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32

♦ Nahazo alalana ny tatitra hataon'ireo solombavambahoaka TIM eny amin'ny Magro Tanjombato rahampitso. Entina eto ireo fanazavana samihafa momba io hetsika rahampitso io... ♦ Tamin'ny Ditrikan'i Morafenobe no nisy ny ivon'ilay andro ratsy tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mbola mitohy ny oram-be amin'ny faitra maro, toy ny any Maintirano, Bongolava, hatrany Sofia...

Fambolem-bary ety afovoan-tany : mivaha ny olana amin'ny tsy fahampian'ny Faosifaoro. Andalam-panandramana ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Behenjy, distrika Ambatolampy ankehitriny ny P-Dipping. Nisy ny fampisehoana ny fahombiazan'ity teknika ity ny 26 febroary teo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...