♦ Nolavin'ny prefen'Antananarivo ny fangatahan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijatovo anio... ♦ Varavarana iray fivoahana sy fidiran'ny olona an-tsokosoko ary famoahana an-tsokosoko ny harem-pirenena ny ranomasina ka tsy maintsy averina ny hasin'ny tafika an-dranomasina malagasy... ♦ Nafindra ary notanana any amin'ny fonja miafina ilay lehiben'ny mpanohitra russe Alexeï Navalny... 

Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...

Naneho firaisan-kina namboly hazo tao amin'ny fokontany Ambohimanatrika Kaominina Mahitsy ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Ivon-toeram-panofanana CEDAR eto amin'ny faritra Analamanga... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...