Olombelona isika ka mety ho tojo tsy fahasalamana koa mila fifanohanana sy fankaherezana amin'ny lafiny maro, ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy amin'ireo olona akaiky antsika mba hampahomby ny fitsaboana hahatonga fahasitranana...
♦ 46 taona omaly ny namonoana ny Colonel Ratsimandrava. Fakan-tahaka ny Colonel Ratsimandrava, hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha nitarika ny hetsika ho fahatsiarovana izany omaly... ♦ Nanamafy ny fitoriana nataon'ny fanjakana Malagasy ilay orinasa any Dubai, nilaza ho tompon'ny volamena 73,5kg, ny Ministry ny Fitsarana...
Zoma 12 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37
♦ Vatobe dimy ambin'ny folo, milanja 10 hatramin'ny 80 taonina, ao Antananarivo Renivohitra, no ahiana hianjera. Nametrahana saina mena tamin'ny toerana misy ireo vatobe ireo, toy ny teny Tsimialonjafy sy Ampamarinana, androany... ♦ Nijoro androany ny Tanora-RMDM, miantso ireo tanora tonga saina hitsangana, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny ambaran'izy ireo fa tsy fahombiazam-pitantanan'ny fitondrana ankehitriny...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco