♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra...
Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)
♦ Tsy maharaka amin'ny fandraisana ireo mararin'ny Covid-19 intsony ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra. Nampiana ny isan'ny CTC. Hapetraka ihany koa ny hotely hopitaly hanampiana ny toerana handraisana ny marary... ♦ Hisitraka fanampiana indray ireo olona marefo noho ny fiatrehana n y valan'aretina coronavirus... ♦ Nanao fihetsiketsehana teny Ampefiloha indray androany ireo tompon'ny orinasa sy ny mpiasa misahana ny fikojakojàna ny lalam-pirenena, tsy mbola voaloa hatramin'izao ny volan'izy ireo...
Alakamisy 8 aprily 2021 — Alakamisy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco