I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.
Tsy tokony hotsinotsinoavina ny vavaka am-bava. Ny vavaka am-bava no vavaky ny olona tsotra, vavaka tahaka izay nampianarin'i Jesoa antsika : Rainay any an-danitra... Ny teny tononintsika dia azontsika dinihina tsirairay ny dikany sy ny hevitra raketiny mba hiotazana voka-tsoa. Tena tsapa fa amin'ny fotoana sasany dia tsapa fa misy lanjany ary tena manome hery ny vavaka am-bava... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco