Zoma 19 jona 2020 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny tsimok'aretina Covid-19 eto amintsika. Nisy tranga vaovao 25 ihany koa hita tao aorian'ny fitiliana natao... ♦ Naneho ny tsy fahafaliana sy nanao fitokonana tao anatin'ny toerana itazonana azy ireo indray androany ireo olona mararin'ny Coronavirus any Toamasina... ♦ Tonga ny hariva teo ireo fitaovana milanja 100 taonina nafarana avy any ivelany, hananganana ilay orinasa hamokatra fanafody eto Madagasikara...

Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.

♦ Nanambara ny Antoko Otrikafo fa manana vahaolana hanarenana ny toe-karena aorian'ny valan'aretina Coronavirus izy ireo... ♦ Mitaky ny hanaovan'ireo tompon'andraikitry ny CNaPS tatitry ny fitantanana ara-bola ny vondrona sendikaly IndustriAll Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny alahady izao ny fetin'ny Mozika. Hiavaka ny fankalazana ho an'ny IFM ao Analakely...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...