♦ Mahafehy tsara ny teny sinoa ny tanora malagasy... ♦ Fampandrosoana ny eny ambanivohitra, nosantarina tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hotel Carlton ny tetik'asa Fandroso... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, Donald Trump sa Joe Biden no hibata ny fandresena...

♦ Ben'ny tanàna miisa 05 indray no voahongana tamin'ny toerany taorian'ny fandinihan'ny filankevim-panjakana ny antontantaratasy fitoriana miisa 311, ny zoma lasa teo... ♦ Nilaza ny ho vonona hiaro ny hevitry ny vahoaka any amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany ny solombavambahoaka charlot Mamihaja... ♦ voafidy fanintelony ho filoha Ivoariana ingahy Alassane Ouatara,.. 

♦ Mitoroka ny endrika tsy fanarahan-dalàna miseho sahady amin'izao iray volana mahery mialohan'ny fifidianana loholona izao ny fikambanana politika Fanorolahy... ♦ Vola mitentina 823.500.000 Ariary no voahangon'ny ONG Bovima, hividianana sakafo ho an'ireo olona lasibatry ny kere any atsimon'ny Nosy... ♦ Nangataka vavaka manokana ho an'ireo nodimandry, indrindra ireo lavon'ny valanaretina Covid-19 ny papa François omaly 02 novambra...

Talata 03 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 15-24 — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...