Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Andriamanitra Trinite Masina, Andriamanitra Tokana Olona Telo no loharano ipoiran'ny fahamasinana ; noho izany dia hitombo voninahitra hatrany ilay Trinite Masina tokona tsy azo sarahana ipoiran'ny fahamasinana rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy. Antso sy andraikitry ny Kristianina vita Batemy rehetra ny ho mpitory ny Vaovao Mahafaly manerana an'izao tontolo izao... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Alahady faha-17 mandavantaona — D — Alahady 27 jolay 2025 : Izay mivavaka tsara, mivavaka amim-pitokiana sy faharetana ; Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Andriamanitra ao amin’ny toerany masina ; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Tsy natao hampahalalana an'Andriamanitra izay tokony hataony ny vavaka fa mba hahaizan'ny olombelona mijoro amin'ny maha-olombelona azy ; ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra, resaka vokatry ny fo, fitiavana. Ny fivavahana madio dia ny mpanampy ny kamboty sy ny mpitondra tena, ary ny miaro tena tsy ho latsaka amin'ny fahotana...
♦ Tsy azo ampiasaina amin'ny fanadiovana any an-tsekoly intsony ny Datura. Namoaka ranty miantso ireo mpitantana sekolim-panjakàna hanajanona ny fampiasana io zava-maniry io ny Ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka momba ny fahazoan'ny fanjakàna iranianina fiaramanidina tsy ara-dalàna ka mahatafiditra an'i Madagasikara amin'io raharaha io ny ACM. Namoaka fampitam-baovao momba izay ny ACM, omaly... ♦ Mitaky ny hamerenana ireo sendikalista roa amin'ny asa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina ny FISEMARE. Tsy ara-dalàna ny nandroahana ireo mpiasa ireo, taorian'ny fitorian'ny orinasa hoy ity sendikà ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco