Alakamisy 25 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29 — Ny Tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay ; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorîna taminareo.

♦ Vehivavy iray 46 taona indray no namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Lany tetsy amin'ny CCI Ivato nandritra ny fivoriana itambaram-be nataon'ireo Solombavambahoaka ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana... ♦ Hiteraka fampandrosoana isam-paritra ny fahalanian'ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana...

Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

♦ Hampiasana fitaovana avo lenta ny fanaraha-maso, mialoha sy mandritra ary ao aorian'ny matso, hataon'ny Foloalondahy eny amin'ny Araben'ny Fahaleovan-tena eny Analakely... ♦ Tsy hitondra fahombiazana eto amintsika ny fampiasam-bola betsaka hanarenana ny toe-karena noho izao fiatrehana ny valan'aretina izao, hoy ny mpitarika ny FMI Malagasy... ♦ Manalasalasa ny fiantohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fampiharana ilay lalana vaovao mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, hoy ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...