1 janoary 2025 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)
Mampatahotra ny fikatonan'ny olona amin'ny tenany, mety noho ny fijaliana anaty no mampikombona. Ny fijaliana anaty dia mety mampihidy ny tena, ary tsy tiana holazaina amin'ny olona hafa, Ilaina mandrakariva ny miresaka, avoaho izay mamesatra ao amin'ny fonao, aza itehirizana enta-mavezatra ao. Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika hivavaka am-bava, amim-pahasahiana... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco