Mitaraina ny mpiompy noho ny fampiharana ny TVA amin'ny varotra katsaka amin'ny taona 2020. Hafa ny hevitry ny Fanjakàna... Vokatra ny letchis amin'izao fotoana izao,  mitady lalam-barotra hoan'ny vokatra tsara kalitao eto an-drenivohitra ny tanora. Arahatsika ato amin'ny fandaharana ny fanadihadiana.

Tokony hahay hanitsy ny zanany, tsy hanala baraka azy ny ray ary mahay manasazy araka ny hitsiny, hoy ny Papa François, ka navoitrany fa raha hampita ny fahendrena sy ny fahitsiana, dia tsy maintsy miaraka aminy mandrakariva, manam-paharetana ary mamindra-fo. Indro ny tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa.

Tsy azo sarahana ny tambazotra eo amin'ny fiainan-tokantrano sy ny fiainam-pirenena satria ny ao amin'ny tokatrano no fiaingan'izany voalohany, koa Zo ny maha olom-pirenena ary mitaky adidy tsy hifampizaranao amin'ny olon-kafa. (04-12-2019)

Rahefa miresaka fahavanonana dia tsy azo hadinoina ny kolontsaina sy ny kolompiaraha-monina, fototra izay fanajana avy amin'Andriamanitra. (18-10-2019)

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...