♦ Olona maromaro no efa nahiditra am-ponja sy hanaovana fanadihadiana momba ny fisolokiana amin'ny fanadinana Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy mbola misy hoy izy fivoahan'ny laza adina mialohan'ny fotoana... ♦ Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy omaly ireo fianakaviana manana maty nametraka fitoriana noho ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 i Madagasikara hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny... 

Mety hisy fiheverana tokoa ary maro mihitsy aza no manontany hoe tsy afaka miaina amin'ny tena maha-olona azy ny relijiozy. Tsy misakana velively ny fivelaran'ny maha-olona ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, fa vao mainka azy tena mahasoa azy, na dia eo aza ny famoizana ireo haren'ny tany. Ny fandraisana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly dia manadio ny fo... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...

♦ Tsy voafehin'ny mpitondra ny tontolon'ny serasera tamin'ilay raharaha Ambohimalaza, tsy vahaolana velively ny fanakatonam-baravarana ny mpanao gazety manao ny asany hoy ny filohan'ny vaomieran'ny serasera eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nahitàna FESO na DAUPHIN 22 maty tao amin'ny Baie de Besikidy any amin'ny fari-dranomasina arovana ao amin'ny nosy HARA any Avaratr'i Madagasikara ny alatsinainy 21 jolay lasa teo... ♦ Hiroso amin'ny fanaovana lavanty ampahibemaso ireo fiara nogiazany afaka roa volana ny ARAI... ♦ Nosamborina noho ny fahitàna singa misy "plomb" tamin'ny sakafo ho an'ny mpianatra ny talen-tsekoly iray any Chine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...