8 desambra 2024 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)
Alahady faha-2 fiavian’ny tompo — taona D : matokia, mifalia fa mpamonjy andriamanitra ; Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra. Ny fitorian'ny Joany ny Batemy dia amin'ny feo avo, i Joany dia ilay feo avy any anefitra, ako re avy any anefitra, ny ako dia avy amin'ny teny, ary ny teny dia i Kristy hiseho nofo aman-dra, io no manambara fa mpialoha lalana an'i Mesia i Joany. Ny endriky ny Batemy fibebahana dia izay nambaran'i Joany hoe : amboary ny lalan'ny Tompo. Miha tany efitra ny fiainantsika noho ny tsy fahampian'ny Vavaka sy ny fanadinoina an'Andriamanitra...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco