• Handray anjara amin'ny fihaonana an-tampon'ny fanjariantsakafo ho an'ny fitomboana na ny sommet nutrition for Growth (N4G) hatao any Frantsa ny 27 - 28 marsa izao ny Malagasy...
  • Fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD : Nampahafantra ireo asa niarahany tamin'ny fitondram-panjakàna ny taona 2024 sy ny asa mbola ho tanterahina amin'ity taona 2025 ity...
  • Mandray andraikitra mitady ny marina momba ny antony namonoana ny Maire Narindra ny fitondram-panjakàna ary nomena baiko hentitra ny mpitandro filaminana hamerina ny fandriam-pahalemana hoy ny Praiminitsra Ntsay Christian...
  • Nosokafana indray ny fanadihadiana amin'ny fikarohana ilay fiaramanidina MH370 an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Malaysia Airlines ataon'ny orinasa tsy miankina Ocean Infinity, 11 taona aty aoriana...

26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.

Vokatry ny Batemy no nahatonga antsika ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra, Andriamanitra Trinite Masina. Nanova ny maha izy antsika io, nanokatra ny lalam-piainana mampiombona antsika hatrany amin'Andriamanitra. ... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

• Vinavinaina hitombo hery ato anatin'ny 24 ora ilay andro ratsy atsy amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka ahiana hivadika ho rivodoza. Hanohy ny diany hianatsimo atsinanana izy manomboka anio alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro... • Naneho ny fahavononany hiatrika ny fanamby hotratrarina amin'ny fanjarian-tsakafo i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny atrikasa fampisehoana sy fanomezana lanja ny fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, natao teny amin'ny Novotel Alarobia, no nanehoana izany androany... • Nanao tombana ny asa vita niarahany tamin'ny fitondram-panjakana malagasy, ho an'ny taona 2024 sy ny fanamby ho an'ny taona 2025, ny fandaharan'asa iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...