Sehatra manan-danja ary tsy azo idovirana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, na fianakaviana, na fiaraha-monina, ary indrindra ny firenena ny fanabeazana. Tsy maintsy misy lafin-javatra omena lanja ao dia : ny fampianarana, fianarana, fampitana, fahaiza-manao, sns, mba afahanana mivelatra amin’ny maha-olona feno. Anisan’ny mandrafitra io maha-olona feno io ny ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina, ary ny ara-pihetseham-po. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.

Ny fanavakavahana, ny fitsitokotokoana, ny fisaratsarahana dia fositra manimba ny firaisan'ny Kristianina. Ny maha kristianina dia tsy mijanona amin'ny tena samirery fa mifandray sy miombona amin'ny samy Kristianina "dimension ecclésiale" fa eo koa ny fiombonana maneran-tany "Eglise universelle". Ny tena fiombonana dia tsy isika anatiny fotsiny ihany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

• Tany amin'ny 220 km andrefana somary atsimo andrefan'Itampolo Ampanihy, no nisy ny foiben'i Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Zava-dehibe ary mijanona ho tsiambaratelo ny valin-teny raisin'ireo mpanao fanadihadiana mandritra ny EPM 2025, araka ny voafaritry ny lalana... • Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin'ny CAF indray ny kianjan'ny Barea Mahamasina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...