Eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo dia misy zana-tsehatra atao hoe "L.O.M" izany hoe "Literature et Oralité Malagasy" afahana mandalina ny Lahabolana sy ny Literatiora. Ny Lahabolana dia rindran-kevitra, na rindra-teny entina maneho zavatra na toe-javatra iray, izay haseho amin'ny fomba kanto sy miavaka. Lahabolana : tôkatôka, Sôva, Isa, Beko... Ny literatiora dia azo hadika hoe "haisoratra", izay rari-teny atao an-tsoratra ; Ohatra : poezia (tononkalo), sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana. Ny "oraliture" no fihaonan'ny am-bava sy ny an-tsoratra, izay voambolana iray misy sosom-boanteny " oralité - literature"... 

♦ Nanomboka omaly ny fitsaràna ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo mpiadina Bakalôrea, hivoaka afaka tapa-bolana ny vokam-panadinana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nakatona ny toerana fitrandrahana volamena antsokosoko any amin'ny reniranon'i Sahavatona any amin'ny Kaominina Vavantenina, olona iray no natolotra ny fitsaràna... ♦ Manahy ny amin'ny fisian'ny kolikoly avolenta manoloana ny raharaham-pitsarana amin' ireo voarohiroy ho namono an'i Rakotondrazafy Alain Maherinjaka na Allan ny reniny, niakatra fitsarana omaly teny Anosy ny raharaha... ♦ Mampiahiahy ny vondron'ireo firenena any Amerika Latina ny Vokam-pifidianana filoham-pirenena tany Venezuella...

Amin'ny teny hebrio dia "Sefer tehillim" no anarana nomena sy iantsoana ny bokin'ny Salamo. Ny teny hoe "tehillim" dia azo adika tsotra amin'ny teny malagasy hoe "hira fiderana/tononkira fiderana". Tsy tena mahadika ny Salamo ary tsy tena mahafapo nefa io "tehillim" io satria milaza izay mety ho hira fiderana rehetra na ahoana endriny na ahoana ; ny teny hoe "Mizmor" no midika hoe hiram-pivavahana... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...