21 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Ny vay dia fisian'ny otrik'aretina iray atao hoe "staphylocoque doré" ao amin'ny foto-bolo, izay mamotika ny foto-bolo ary mamorona nana ; amin'ny vatana rehetra dia mety hisy io vay io. Ny sokajin-taona rehetra dia mety ho voakasik'ity vay ity. Ny "staphylocoque doré" dia hita eny amin'ny rivotra maloto, vovoka, anaty rano, entin'ny sakafo hoanina. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana ny vay. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Mbola tsy ho ato ho ato ny hitsangànan'ny Governemanta vaovao. Mbola haka fotoana maharitra ny filoha sy ny praiministra handinika ireo izay hotendrena ministra, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Mpiadina maherin'ny 200.000 isa no hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea manomboka ny alatsinainy izao. Misy ny toromarika vitsivitsy ho an'ny mpiadina avy amin'ireo mpanabe... ♦ Mitaky ministra manana mari-pahaizana hitantana ny ministeran'ny fampianarana teknika ny sendikàn'ny mpiasan'ity ministera ity. Tsy eken'izy ireo ho an'izay ministra ho avy eo ny fitondràna mpiasa avy aminy... ♦ Olona +11 no namoy ny ainy omaly hariva tany Chine, vokatry ny firodananà tetezana lehibe iray...
♦ Manana hatramin'ny 6 aogositra izao ny Fanjakàna hamoahana ny didim-panjakàna hanaikàna ny mpifidy, raha hotazonina amin'ny 6 novambra ny daty ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka. Miahiahy amin'io tranga io ireo mpampianatra sasany, amin'izao mialohan'ny fanadinana izao... ♦ Niverina nanao fihetsiketsehana indray ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny Cité Universitaire eny Ankatso faharoa omaly hariva. Tsy nivaha ny olan'ny famatsiana rano sy jiro, eny amin'ny tranon'ny mpianatra R+1...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco