♦ Ao anatin'ny fandinihana ireo paikady hahafahana manafaingana ny fampandrosoana ireo Distrika nahazoany fandresena ny FIVOY, ankehitriny... ♦ Namoy namana iray indray ny fianakaviamben'ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-51 taonany i Razanakarivelo Herinanahary Alain, fantatra amin'ny anarana hoe HERNAN Rivelo... ♦ Antoka iray hahafahana maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy, ny fananana antontam-baovao sy antontan'isa ara-potoana sy mitombina. Dinihina amin'ilay atrikasa rejiônaly tanterahana eto Madagasikara izany...

Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Nahitana hetsika avokoa ireo oniversitem-panjakana miisa telo. Tsy olana vaovao fa mifandraika amin'ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitrasa hatrany no nitarika izany... ♦ Antony iray manahiran-tsaina ny fitondrana ka tsy amoahany ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, ny fandresen'ny mpanohitra tany amin'ny renivohi-paritany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, hoy ny SFDM... ♦ Nahitana fihenana hatrany amin'ny antsasa-manila ny tranga fanolanana, manerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana...

I Môizy dia notendrena ho mpanelanelana, izany hoe mpitondra ny hetahetan'ny olona eo amin'Andriamanitra sy mpitondra ny tenin'Andriamanitra amin'ny vahoaka, fa niombona hatrany tamin'ireo vahoaka ireo izy, indrindra tamin'ireo fakam-panahy sy fahotana ; sady olon'Andriamanitra noho izany i Môizy no mbola akaiky ny vahoaka ihany koa, vokatr'izany dia mangoraka sy mamindra fo amin'izy ireo izy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...