25 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)
♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...
♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...
Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 9, 11-15)
Izao no lazain’ny Tompo:
Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
— teny marin’ny Tompo —
izay nanao izany zavatra izany.
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo —,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana
ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy,
ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!
Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:
“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco