♦ Vonona hanohana an'i Madagasikara hanatsaràna ny famatsiana herinaratra ny Governemanta amerikàna. Nisy ny fivoriana sy fanaovana sonia fiaraha-miasa amin'ny tetik'asa Power Africa... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny Malagasy tratry ny aretina ateraky ny fiakaran'ny tosi-drà amin'izao. Efa misy mpianatra 19 taona ankehitriny no efa tratran'izany, araka ny nambaran'ireo mpitsabo... ♦ Zanaky ny sahirana 320 amin'izao no ampianarina sy omen'ny ONG Tsaramanasoa sakafo antoandro isan'andro. Miantso mpiara-miombon'antoka ity Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'ny ankizy ity... ♦ Notafihan'i Israel alina ny toby fanamboarana missile iraniana...
♦ Miatrika fivoriambe isan-taona ireo lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Nisy indray ny fihetsiketsehana fanoherana ny fahatapahan-jiro teny Anatihazo Isotry, omaly hariva. Hetsika fanindroany teto Antananarivo, tao anatin'ny telo andro farany... ♦ Fitsabahan'ny Fanjakàna Malagasy any amin'ny CAF ny nambaran'ny Ministry ny Fanatanjahantena fa hanaraka akaiky ny fitoriana momba ny lalaon'ny Barea, hoy ny K2HB... ♦ Tafakatra 1.500 ireo olona namoy ny ainy any Liban hatrizay nipoahan'ny ady eto amin'ity firenena ity sy i Israel, Efa maherin'ny 700.000 hatramin'izao ireo nitsoam-ponenana...
♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Namoaka ny andiany vaovao misalotra ny anarana TAFARAY androany, ny ivontoerana fanofanana araka asa, Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice, Ivato... ♦ 20 taona nisehatra tamin'ny fanomezana tantsoroka ho an'ny fianakaviana marefo ny fikambanana Kolo Aina...
♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco